15/02/2026
Salama e✨
Eto izahay dia haneho fisaorana manokana ho an’ny KAMO restaurant - cabaret - grill et fast food à Antsirabe🙏💛
Tena feno fankasitrahana izahay ao amin’ny Projet Mizara TSIKY satria vitantsika soa aman-tsara ny hetsika fanampiana ireo niharam-boina any Toamasina.
Ny fanohanana sy ny fitiavan-tanindrazanareo no nahatonga izany ho zava-bita tena misy lanjany.
Misaotra manokana ihany koa ireo nanoro hevitra, ireo nanohana, ary ireo donateurs tsirairay.
Tsy zakan’ny teny ny fisaorana — fa tsapanay hatramin’ny fo ny hasarobidinareo rehetra.
Enga anie hanana hasoa sy hahazo fitahiana mitafotafo ianareo rehetra, ary hitombo hatrany ny soa averin’Andriamanitra aminareo. 🤍
⸻
📢 FANAMBARANA
Mbola mitohy ny fanentanana fanangonam-panampiana ho an’ireo vahoaka tra-boina any Toamasina, hatramin’ny Sabotsy 21 Febroary 2026.
Raisina daholo izay mety ho endrika fanampiana: sakafo, fitafiana, fanafody, rano fisotro madio, vola…
Ny kely avy aminao dia efa lehibe ho an’izay mila izany. 🙏
Mankasitraka mialoha. Aoka isika hifampitondra ho olombelona. 💛
⸻
Bonjour à tous✨
Un immense MERCI au Restaurant KAMO🙏💛
Au nom du Projet MIZARA TSIKY, nous tenons à exprimer notre profonde gratitude pour votre soutien lors de notre action destinée à aider les sinistrés de Toamasina.
Votre solidarité, votre générosité et votre humanité ont donné vie à ce projet.
Nous remercions également toutes les personnes qui ont partagé leurs conseils, ainsi que tous les donateurs qui n’ont pas hésité à tendre la main.
Vos gestes, petits ou grands, ont touché nos cœurs plus que vous ne l’imaginez.
Que Dieu vous bénisse et multiplie le bien que vous semez autour de vous. 🤍
⸻
📢 ANNONCE
La campagne de collecte pour soutenir les victimes à Toamasina se poursuit jusqu’au samedi 21 février 2026.
Toutes formes d’aides sont les bienvenues : nourriture, vêtements, médicaments, eau potable, dons financiers…
Votre petit geste peut changer une vie. 🙏
Merci du fond du cœur. Ensemble, faisons briller l’humanité. 💛