30/07/2025
❗𝗠𝗔𝗛𝗔𝗜𝗭𝗔 𝗠𝗔𝗠𝗔𝗙𝗬…💖
👧🏽 Ny zaza henoin-teny dia lasa olon-dehibe mahay mihaino.
👧🏽 Ny zaza ampitahaina foana dia lasa olon-dehibe mpialona sy tsy matoky tena.
👧🏽 Ny zaza omena tsiny foana dia lasa olon-dehibe matahotra diso.
👧🏽 Ny zaza zatra voatabataba dia lasa olon-dehibe manafina fihetseham-po.
👧🏽 Ny zaza ambaniana dia lasa olon-dehibe manontany tena hoe: “Mendrika ve aho?”
👧🏽 Ny zaza tsy raharahiana dia lasa olon-dehibe miangavy fitiavana sy tsy mahalala tsy tiana.
👧🏽 Ny zaza zatra kapoka dia lasa olon-dehibe manafangaro ny herisetra sy ny fitiavana.
👧🏽 Fa ny zaza tiana, hajaina, tantanana... dia lasa olon-dehibe matotra, malemy fanahy ary feno fahatokisana. ❤️
🧠 Tadidio: Ny teny sy fihetsikao anio dia tsy mandalo fotsiny amin’ny fon’ny zaza, fa mamolavola ny olon-dehibe hoavin’izy ireo.
Ny fiteninao no lasitra,
Ny feonao no feo entin’izy hiteny amin’ny tenany rehefa lehibe.